Connexion membre Inscription membre
Gasik'Arts, Emission radiophonique malgache sur Toulouse FM92.2 le dimanche ou www.gasikarts.com . Voir Rubrique "Medias"
Nah Events . organisation d'événements publics et privés pour la promotion de Madagascar. Traiteur .
Gasykamanja.com, Site communautaire malgache

Tenin'ny Filohan'ny Mutuelle de Madagascar

Ny aina tsy mifametra, ny entan-jarai-mora zaka

ary ny fahoriana iaraha-mitondra mihamaivana.

Manolotra ny arahaba voafantipantina ho anareo mpitsidika ny tranonkala www.diaspora-dynamique.com

Ny olatra navelan’ny lasa mazàna no fitomboky ny mbola hahorina, ny dindon’ny efa omaly no mivimbina ny atao anio, taratry ny ampitso. Iaraha-mahalala fa fahasahiranana lehibe no mahazo antsika Malagasy aty am-pitandranomasina rehefa misy havana maty. Maro be ny vola lany amin’ny fandefasana ny razana any an-tanindrazana. Mba hisorohana an’izany fahasahiranana izany indrindra no antony nananganana ny Mutuelle de Madagascar tamin’ny volana desambra 1990.

 Tao anatin’izay  23 taona nitsanganany izay, raha misy maty ny mpikambana ao aminy dia ny Mutuelle de Madagascar no mikarakara sy miantoka ny fandefasana ny razana any Madagasikara, miantoka saran-dalan’olona iray mandroso sy miverina manatitra ny razana any, manome vola 305€ hanampiana amin’ny fandevenana any an-tanindrazana (fitondrana ny razana avy eo amin’ny seranam-piara-manidina hatrany amin’ny toerana handevenana, sns..)

Fandraisana anjara amin’ny latsakemboka mirary dia mirary anefa no takalon’izany, ohatra mandoa 16€ 48 isan-taona ho an’ny mpikambana roapolo ka hatramin’ny efapolo taona. Ny andinidininy rehetra  dia azonao jerena ao anaty tranonkalan’ny Mutuelle de Madagascar. Ny ahafahany manao izany dia satria ny Mutuelle de Madagascar, dia ao anatin’ny  fivondronana Radiance Groupe Humanis. Ny fifanohanana amin’ireo mpikambana aman-hetsiny maro no antoka  ahafahany  mikarakara sy miantoka ny fampodiana razana  nandritra  ny roapolo taona mahery. An’arivony maro no Malagasy mpikambana efa ao anatiny.

Mikasika ny fomba fisoratana anarana sy ny andinidininy dia azonao atao ny mitsidika ny tranonkalany www.mutuelledemadagascar.org. sy mameno ny « formulaire pré-adhésion » ao ihany na miantso ny 09 77 40 22 22 amin’ny andro sy ora fivoahan’ny birao na 06 09 04 40 67 amin’ny ora hafa.

Koa aza mangataka andro intsony  miditra ho mpikambana satria ny aina tsy mifametra, ny entan-jarai-mora zaka ary ny fahoriana iaraha-mitondra lasa mihamaivana.   Sady ho fitsinjovana ny vodiandromerika ka  hanalana fahasahiranana ho an’ny fianakaviana ary ny tapaka sy namana  no fifanohanana amin’ny hafa koa ny firotsahana ao amin’ny Mutuelle de Madagascar antsoina koa Radiance Smapri Section Madagascar.

 

RAMANDRAIVONONA Dera

Filohan’ny Mutuelle de Madagascar

Président Smapri Radiance Section Madagascar

06 09 04 40 67

Publicité

https://www.diaspora-dynamique.com
Tous droits réservés 2014. Réalisation du site http://www.dinas.fr